Baiboly Protestanta 2011
|
| 1 |
| Fa ny Mpisoronabe rehetra dia alaina amin’ny olona ka tendrena ho solon’ny olona hanao ny raharahan’Andriamanitra, hanolotra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota. |
| 2 |
| Izy dia olona izay mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania, satria ny tenany koa dia mba hodidinin’ny fahalemena ihany; |
| 3 |
| ary noho izany dia tsy maintsy hanolotra fanatitra hanafaka ota ho an’ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an’ny olona ihany. |
| 4 |
| Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany afa-tsy izay antsoin’Andriamanitra, tahaka ny tamin’i Arona. |
| 5 |
| Dia toy izany koa Kristy: Tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe fa Ilay niteny taminy hoe: «Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany» (Sal 2.7). |
| 6 |
| Ary toy ny lazainy eo amin’ny teny hafa koa hoe: «Ianao no mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkizedeka» (Sal 110.4). |
| 7 |
| Tamin’ny andron’ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana niaraka tamin’ny fitarainana mafy sy ranomaso be tamin’izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy, ary nohenoina noho ny fahatahorany an’Andriamanitra, |
| 8 |
| dia nianatra fankatoavana tamin’izay fahoriana noentiny Izy, na dia Zanaka aza. |
| 9 |
| Ary rehefa nahatanteraka izany Izy dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra mankatò Azy |
| 10 |
| ka nambaran’Andriamanitra hoe Mpisoronabe araka ny fomban’i Melkizedeka. |
| 11 |
| Ny amin’izany dia manana teny maro sady sarotra hazavaina izahay satria lalodalovana ny sofinareo. |
| 12 |
| Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo noho ny fotoana efa ela dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra indray; ary ianareo dia mbola toy izay tokony homen-dronono fa tsy ventin-kanina. |
| 13 |
| Fa izay rehetra mivelona amin’ny ronono dia tsy zatra amin’ny tenin’ny fahamarinana satria mbola zazabodo. |
| 14 |
| Fa ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2011/hebrews/005.mp3
13
5