Baiboly Protestanta Malagasy
|
| 1 |
| [Fideran'ny any an-danitra an'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra] Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indro, nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo voalohany izay efa reko dia tahaka ny an'ny trompetra niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay. |
| 2 |
| Ary niaraka tamin'izay dia voatsindrin'ny Fanahy aho; ary indro seza fiandrianana nipetraka tany an-danitra, ary nisy Anankiray nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana. |
| 3 |
| Ary ny tarehin'ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola; ary avana mitarehin'emeralda no nanodidina ny seza fiandrianana. |
| 4 |
| Ary manodidina ilay seza fiandrianana iray dia nisy seza fiandrianana efatra amby roa-polo; ary teo ambonin'ireo seza fiandrianana ireo dia nisy loholona efatra amby roa-polo nipetraka, nitafy fitafiana fotsy sady nisatroka satro-boninahitra volamena. [ Gr. presbytera] |
| 5 |
| Ary nisy helatra sy feo ary kotrokorana nivoaka avy tamin'ny seza fiandrianana; ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan'ny seza fiandrianana, dia Fanahy fiton'Andriamanitra ireo. |
| 6 |
| Ary teo anoloan'ny seza fiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato krystaly; ary teo afovoan'ny seza fiandrianana sy manodidina azy nisy zava-manan'aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony. |
| 7 |
| Ary ny zava-manan'aina voalohany dia tahaka ny liona, ary ny zava-manan'aina faharoa dia tahaka ny zanak'omby, ary ny zava-manan'aina fahatelo dia manana tava tahaka ny tavan'olona, ary ny zava-manan'aina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina. |
| 8 |
| Ary ny zava-manan'aina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany rehetra manodidina ka hatrao anatiny; ary tsy mitsahatra andro aman'alina izy manao hoe: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy. |
| 9 |
| Ary raha ny zava-manan'aina hanome voninahitra sy haja ary fisaorana ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, dia Izay velona mandrakizay mandrakizay, |
| 10 |
| dia hiankohoka eo anoloan'izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana ny loholona efatra amby roa-polo ka hivavaka amin'izay velona mandrakizay mandrakizay, dia hanipy ny satro-boninahiny eo anoloan'ny seza fiandrianana ka hanao hoe:Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; Fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy. |
| 11 |
| Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; Fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy/revelation/004.mp3
22
4