Baiboly Katolika 2003
|
| 1 |
| Dia tonga ny olona ao Kariatiarima ka nampiakatra ny Fiaran’i Iaveh, nentiny nankany an-tranon’i Abinadaba any amin’ny havoana; ary i Eleazara zanany nohamasininy hiandry ny Fiaran’i Iaveh. |
| 2 |
| Hatramin’ny andro nametrahana ny Fiaran’i Iaveh tany Kariatiarima dia lava ny andro nifandimby, roapolo taona, ary nitaraina tamin’i Iaveh ny tranon’i Israely rehetra. |
| 3 |
| Ka hoy i Samoela tamin’ny tranon’i Israely rehetra; «Raha miverina amin’i Iaveh amin’ny fonareo rehetra tokoa ianareo, dia esory hiala eo aminareo ny andriamani-kafa sy ny Astarte, ary araiketo mafy amin’i Iaveh ny fonareo, ka Izy irery ihany no tompoy, ka hanafaka anareo amin’ny tanan’ny Filistinina Izy.» |
| 4 |
| Dia nesorin’ny taranak’i Israely teo aminy ny Baala sy ny Astarte, ka i Iaveh irery ihany no notompoiny. |
| 5 |
| Ary hoy i Samoela: «Vorio any Masfà i Israely rehetra ary hivavaka amin’i Iaveh ho anareo aho.» |
| 6 |
| Dia nivory tany Masfà izy ireo. Nanovo rano izy, nararany teo anatrehan’i Iaveh ary nifady hanina tamin’izany andro izany, fa hoy izy: «Efa nanota tamin’i Iaveh isika!» Ary i Samoela nitsara an’i Israely tany Masfà. |
| 7 |
| Ren’ny Filistinina fa nivory tany Masfà ny zanak’i Israely ka niakatra ny andrian’ny Filistinina hamely an’i Israely. Nandre izany ny zanak’i Israely ka raiki-tahotra ny Filistinina izy ireo, |
| 8 |
| ka hoy ny zanak’i Israely tamin’i Samoela hoe: «Aza atsahatra ny fitarainana ho antsika amin’i Iaveh Andriamanitsika, mba hamonjy antsika amin’ny tanan’ny Filistinina.» |
| 9 |
| Naka zanak’ondry mbola minono i Samoela, natolony manontolo ho sorona dorana ho an’i Iaveh, dia nitaraina tamin’i Iaveh ho an’i Israely i Samoela, ka nohenoin’i Iaveh. |
| 10 |
| Mbola manatitra ny sorona dorana eo i Samoela, no tamy hamely an’i Israely ny Filistinina; fa nampikotroka mafy ny varatra tamin’ny Filistinina kosa i Iaveh tamin’izay andro izay, ka nampifanaritaka azy; dia resy teo anoloan’i Israely. |
| 11 |
| Ary nivoaka avy tao Masfà ny lehilahy amin’i Israely, ka nanenjika ny Filistinina, sy namely azy hatrany ambanin’i Bety-Kara. |
| 12 |
| Naka vato i Samoela napetrany teo anelanelan’i Masfà sy i Sena, ary nomeny anarana hoe Eben-Ezera, fa hoy izy: «Efa novonjen’i Iaveh isika hatramin’izao.» |
| 13 |
| Nony voaetry toy izany ny Filistinina, dia tsy niverina teo amin’ny faritanin’i Israely intsony; fa namely ny Filistinina ny tanan’i Iaveh, tamin’ny andro rehetra niainan’i Samoela. |
| 14 |
| Ka ny tanàna nalain’ny Filistinina tamin’i Israely, tafaverina amin’i Israely indray, hatrany Akarôna ka hatrany Geta; ny faritanin’izy ireo dia nalain’i Israely teo an-tanan’ny Filistinina. Ary ny Amôreana, nihavana tamin’i Israely. |
| 15 |
| Nitsara an’i Israely tamin’ny andro rehetra niainany i Samoela. |
| 16 |
| Isan-taona dia nandeha izy nitety an’i Betela sy i Galgalà ary i Masfà ka nitsara an’i Israely tamin’ireo fitoerana rehetra ireo. |
| 17 |
| Raha efa izany dia niverina any Ramà izay misy ny tranony izy, dia nitsara an’i Israely tao, ary nanorina ôtely tao ho an’i Iaveh. |
|
| Tehirizo Naoty |
https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy2003/1samuel/007.mp3
31
7