× Fiteny Eoropa Rosiana Belarosiana Okrainiana Poloney Serba Biolgara Slovakian Tseky Romainina Moldovian Azerbaijana Armeniana Zeorziana Albaney Avar Bashkir Tatar Chechen Slovenianina Croatian Estoniana Letôna Litoanianina Hongariana Finoa Norvejiana Soedoa Islandey Grika Masedoniana Alemaina Bavarian Dutch Danoà Valesa Gaelic Irlandey Frantsay Basque Katalana Italiana Galacian Romani Bosnian Amerika Avaratra Anglisy Amerika atsimo Espaniola Portogey Guarani Quechuan Aymara Amerika Afovoany Jamaikana Nahuatl Kiche Q'eqchi Haisiana Azia Atsinanana Sinoa Anarana Koreana Mongoliana Uyghur Hmong Azia atsimo atsinanana Maleziana Birmana Hakha Chin Nepale Cebuano Tagalog Kambojiana Thailandey Indonezianina Vietnamiana Javaney Lao Iban IuMien Kachin Lahu Aceh Balinese Bugis Pampanga Sasak Shan Waray Azia atsimo Hindi Оdia Awadhi Mizo Kannada Malayalam Marathe Goujrati Tamoul Telogo Pendjabi Kurukh Assamese Maithili Bengali Urdu Sinhala Dogri Haryanvi Meitei Konkani Santali Sindhi Koya Thado Sanskrit Devanagari Adilabad Gondi Ahirani Balochi Bundeli Chhattisgarhi Garhwali Kangri Kumaoni Mewari Munda Sadri Seraiki Shekhawati Sylheti Azia afovoany Kyrgyz Uzbek Tajik Turkmen Kazakhstana Karakalpak Moyen Orient Tiorka Hebreo Arabo Persianina Kiorda Pashto Kôpta Africa Afrikaans Xhosa Zolo Ndebele Sotho Amharic Wolaytta Nizeriana Mossi Ika Dinka Kabyle Ondrivavikely Swahili Maraoka Somaliana Shona Madagasikara Igbo Lingala Baoulé SiSwati Tsonga Tswana Gambia Yoruba Kamba Kinyarwanda Hausa Chewa Luo Makua Dyula Fulfulde Kalenjin Kikuyu Kikwango Kirundi Krio Nigerian Pidgin Oromo Tshiluba Tshivenda Twi Umbundu Lugbara Luguru Pular Gussi Maasai Turkana Moba Nuer Shilluk Tamasheq Makonde Bemba Fon Hadiyya Ibibio Kimbundu Kimiiru Lango Liberian Kreyol Lomwe Mende Morisyen Ndau Nyankole Sena Sidamo Soga Songe Sukuma Tarifit Teso Tiv Zande Dagbani Kaontinanta Aostralia Novely Zelandy Papouasie-Nouvelle-Guinée Fiteny taloha Aramaic Latina Esperanto 1 1 1 Protestanta 1965 Protestanta 2011Malgache MRV 2011DIEM PROTESTANTA 2004Baiboly Katolika 2003Protestanta 19651 1 1 Nomery GenesisyEksodosyLevitikosyNomeryDeotoronomiaJosoaMpitsaraRota1 Samoela2 Samoela1 Mpanjaka2 Mpanjaka1 Tantara2 TantaraEzraNehemiaEsteraJobaSalamoOhabolanaMpitoritenyTonon Kiran'i SolomonaIsaiaJeremiaFitomanianaEzekielaDanielaHoseaJoelaAmosaObadiaJonaMikaNahomaHabakokaZefaniaHagayZakariaMalakia--- --- ---MatioMarkaLiokaJaonaAsan'ny ApostolyRomana1 Korintiana2 KorintianaGalatianaEfesianaFilipianaKolosiana1 Tesaloniana2 Tesaloniana1 Timoty2 TimotyTitosyFilemonaHebreoJakoba1 Petera2 Petera1 Jaona2 Jaona3 JaonaJodaApokalypsy1 1 1 1 1234567891011121314151617181920212223242526272829303132333435361 1 1 : 1 1234567891011121314151617181920212223242526272829303132333435363738394041424344454647484950515253541 1 1 Baiboly Protestanta Malagasy Nomery 1 Tehirizo naoty 1[Ny nandaminana ny firenen'Isiraely] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay, tao amin'ny trano-lay fihaonana tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa, tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta, ka nanao hoe:2Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anarany tsirairay,3dia ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika; handamina azy araka ny antokony avy ianao sy Arona.4Ary aoka hisy lehilahy iray avy isam-pirenena ho namanareo, dia izay samy lohan'ny fianakaviany avy.5Ary izao no anaran'ireo lehilahy ho namanareo ireo: Ny avy amin'i Robena dia Elizora, zanak'i Sedeora;6ny avy amin'i Simeona dia Selomiela, zanak'i Zorisaday;7ny avy amin'i Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba;8ny avy amin'Isakara dia Netanela, zanak'i Zoara;9ny avy amin'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i Helona;10ny avy amin'ny zanak'i Josefa dia Elisama, zanak'i Amihoda, avy amin'i Efraima, ary Gamaliela, zanak'i Pedazora, avy amin'i Manase kosa;11ny avy amin'i Benjamina dia Abidana, zanak'i Gideony;12ny avy amin'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;13ny avy amin'i Asera dia Fagiela, zanak'i Okrana;14ny avy amin'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Doela;15ny avy amin'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana.16Ireo no voafidin'ny fiangonana, dia samy lohan'ny fireneny avy sady mpifehy arivo amin'ny Isiraely.17Ary Mosesy sy Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo,18dia namory ny fiangonana rehetra tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa; ary samy nampanoratra ny anarany avy izy araka ny firazanany, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra.19Araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr'Sinay.20Ary tamin'ny taranak'i Robena, lahimatoan'Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra izay azo nalefa hanafika,21izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Robena dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.22Ary tamin'ny taranak'i Simeona araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voalamina, araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, izay azo nalefa hanafika23izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Simeona dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.24Ary tamin'ny taranak'i Gada araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,25izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Gada dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.26Ary tamin'ny taranak'i Joda araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,27izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Joda dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.28Ary tamin'ny taranak'Isakara araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,29izay voalamina avy tamin'ny firenen'Isakara dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.30Ary tamin'ny taranak'i Zebolona araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,31izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.32Ary tamin'ny taranak'i Josefa: dia avy tamin'ny taranak'i Efraima araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,33izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Efraima dia diman-jato amby efatra alina;34ary tamin'ny taranak'i Manase araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,35izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Manase dia roan-jato amby roa arivo sy telo alina.36Ary tamin'ny taranak'i Benjamina araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,37izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia efa-jato amby dimy arivo sy telo alina.38Ary tamin'ny taranak'i Dana araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,39izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Dana dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.40Ary tamin'ny taranak'i Asera araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika41izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera dia diman-jato amby arivo sy efatra alina.42Ary tamin'ny taranak'i Naftaly araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,43izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.44Ireo no voalamin'i Mosesy sy Arona ary ny roa ambin'ny folo lahy lehibe amin'ny Isiraely, izay samy lohan'ny fianakaviany avy.45Ary izay rehetra avy tamin'ny Zanak'Isiraely araka ny fianakaviany, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika avy amin'ny Isiraely,46dia dimam-polo amby dimam-jato sy telo arivo sy enina hetsy.47[Ny amin'ny raharahan'ny Levita] Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina ho isan'ireo.48Fa Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:49Ny firenen'ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin'ny Zanak'Isiraely;50fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin'ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany.51Ary raha hafindra ny tabernakely, dia ny Levita no hangorona azy; ary raha haorina ny tabernakely, dia ny Levita no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.52Dia hitoby ny Zanak'Isiraely, samy eo amin'ny tobiny avy, ary samy eo amin'ny fanevany ary, araka ny antokony.53Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny tabernakelin'ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin'ny Vavolombelona.Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataony.54Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataony.Malagasy Bible 1965 Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019 Baiboly Protestanta Malagasy Nomery 1 00:00:00 00:00:00 0.5x 2.0x https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy/numbers/001.mp3 36 1