× Fiteny Eoropa Rosiana Belarosiana Okrainiana Poloney Serba Biolgara Slovakian Tseky Romainina Moldovian Azerbaijana Armeniana Zeorziana Albaney Avar Bashkir Tatar Chechen Slovenianina Croatian Estoniana Letôna Litoanianina Hongariana Finoa Norvejiana Soedoa Islandey Grika Masedoniana Alemaina Bavarian Dutch Danoà Valesa Gaelic Irlandey Frantsay Basque Katalana Italiana Galacian Romani Amerika Avaratra Anglisy Amerika atsimo Espaniola Portogey Guarani Quechuan Aymara Amerika Afovoany Jamaikana Nahuatl Kiche Q'eqchi Haisiana Azia Atsinanana Sinoa Anarana Koreana Mongoliana Uyghur Hmong Azia atsimo atsinanana Maleziana Birmana Hakha Chin Nepale Cebuano Tagalog Kambojiana Thailandey Indonezianina Vietnamiana Javaney Lao Iban IuMien Kachin Lahu Azia atsimo Hindi Оdia Awadhi Mizo Kannada Malayalam Marathe Goujrati Tamoul Telogo Pendjabi Kurukh Assamese Maithili Bengali Urdu Sinhala Dogri Haryanvi Meitei Konkani Santali Sindhi Koya Thado Sanskrit Devanagari Azia afovoany Kyrgyz Uzbek Tajik Turkmen Kazakhstana Karakalpak Moyen Orient Tiorka Hebreo Arabo Persianina Kiorda Pashto Kôpta Africa Afrikaans Xhosa Zolo Ndebele Sotho Amharic Wolaytta Nizeriana Mossi Ika Dinka Kabyle Ondrivavikely Swahili Maraoka Somaliana Shona Madagasikara Igbo Lingala Baoulé SiSwati Tsonga Tswana Gambia Yoruba Kamba Kinyarwanda Hausa Chewa Luo Makua Dyula Fulfulde Kalenjin Kikuyu Kikwango Kirundi Krio Nigerian Pidgin Oromo Tshiluba Tshivenda Twi Umbundu Lugbara Luguru Pular Gussi Maasai Turkana Moba Nuer Shilluk Tamasheq Makonde Kaontinanta Aostralia Novely Zelandy Papouasie-Nouvelle-Guinée Fiteny taloha Aramaic Latina Esperanto 1 1 1 Protestanta 1965 Protestanta 2011Malgache MRV 2011DIEM PROTESTANTA 2004Baiboly Katolika 2003Protestanta 19651 1 1 Matio GenesisyEksodosyLevitikosyNomeryDeotoronomiaJosoaMpitsaraRota1 Samoela2 Samoela1 Mpanjaka2 Mpanjaka1 Tantara2 TantaraEzraNehemiaEsteraJobaSalamoOhabolanaMpitoritenyTonon Kiran'i SolomonaIsaiaJeremiaFitomanianaEzekielaDanielaHoseaJoelaAmosaObadiaJonaMikaNahomaHabakokaZefaniaHagayZakariaMalakia--- --- ---MatioMarkaLiokaJaonaAsan'ny ApostolyRomana1 Korintiana2 KorintianaGalatianaEfesianaFilipianaKolosiana1 Tesaloniana2 Tesaloniana1 Timoty2 TimotyTitosyFilemonaHebreoJakoba1 Petera2 Petera1 Jaona2 Jaona3 JaonaJodaApokalypsy1 1 1 1 123456789101112131415161718192021222324252627281 1 1 : 1 123456789101112131415161718192021222324251 1 1 Baiboly Protestanta Malagasy Matio 1 Tehirizo naoty 1Ny filazana ny razan'i Jesosy Kristy, zanak'i Davida zanak'i Abrahama.2Abrahama niteraka an'i Isaka; ary Isaka niteraka an'i Jakoba; ary Jakoba niteraka an'i Joda mirahalahy avy;3ary Joda niteraka an'i Fareza sy Zara tamin'i Tamara; ary Fareza niteraka an'i Hezrona; ary Hezrona niteraka an-dRama;4ary Rama niteraka an'i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an'i Nasona; ary Nasona niteraka an'i Salmona;5ary Salmona niteraka an'i Boaza tamin-dRahaba; ary Boaza niteraka an'i Obeda tamin-dRota; ary Obeda niteraka an'i Jese;6ary Jese niteraka an'i Davida mpanjaka. Ary Davida niteraka an'i Solomona tamin'ny vadin'i Oria;7ary Solomona niteraka an-dRehoboama; ary Rehoboama niteraka an'i Abia; ary Abia niteraka an'i Asa;8ary Asa niteraka an'i Josafata; ary Josafata niteraka an'i Jorama; ary Jorama niteraka an'i Ozia;9ary Ozia niteraka an'i Jotama; ary Jotama niteraka an'i Ahaza; ary Ahaza niteraka an'i Hezekia;10ary Hezekia niteraka an'i Manase; ary Manase niteraka an'i Amona; ary Amona niteraka an'i Josia;11ary Josia niteraka an'i Jekonia mirahalahy avy, tamin'ny nifindrana tany Babylona.12Ary taorian'ny nifindrana tany Babylona Jekonia dia niteraka an'i Sealtiela; ary Sealtiela niteraka an'i Zerobabela;13ary Zerobabela niteraka an'i Abihoda; ary Abihoda niteraka an'i Eliakima; ary Eliakima niteraka an'i Azora;14ary Azora niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Akima; ary Akima niteraka an'i Elihoda;15ary Elihoda niteraka an'i Eleazara; ary Eleazara niteraka an'i Matana; ary Matana niteraka an i Jakoba;16ary Jakoba niteraka an'i Josefa, vadin'i Maria; ary Maria niteraka an'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy.17Ary ny taranaka rehetra hatramin'i Abrahama ka hatramin'i Davida dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'i Davida ka hatramin'ny nifindrana tany Babylona dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'ny nifindrana tany Babylona ka hatramin'i Kristy dia taranaka efatra ambin'ny folo.18Ary ny nahaterahan'i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin'i Jesosy, ho fofombadin'i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin'ny Fanahy Masina izy.19Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.20Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina,21ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany. [Jesosy = Jehovah no Mpamonjy]22Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany hoe:23Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.24Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny.Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.25Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.Malagasy Bible 1965 Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019 Baiboly Protestanta Malagasy Matio 1 00:00:00 00:00:00 0.5x 2.0x https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy/matthew/001.mp3 28 1