× Fiteny Eoropa Rosiana Belarosiana Okrainiana Poloney Serba Biolgara Slovakian Tseky Romainina Moldovian Azerbaijana Armeniana Zeorziana Albaney Avar Bashkir Tatar Chechen Slovenianina Croatian Estoniana Letôna Litoanianina Hongariana Finoa Norvejiana Soedoa Islandey Grika Masedoniana Alemaina Bavarian Dutch Danoà Valesa Gaelic Irlandey Frantsay Basque Katalana Italiana Galacian Romani Bosnian Amerika Avaratra Anglisy Amerika atsimo Espaniola Portogey Guarani Quechuan Aymara Amerika Afovoany Jamaikana Nahuatl Kiche Q'eqchi Haisiana Azia Atsinanana Sinoa Anarana Koreana Mongoliana Uyghur Hmong Azia atsimo atsinanana Maleziana Birmana Hakha Chin Nepale Cebuano Tagalog Kambojiana Thailandey Indonezianina Vietnamiana Javaney Lao Iban IuMien Kachin Lahu Aceh Balinese Bugis Pampanga Sasak Shan Waray Azia atsimo Hindi Оdia Awadhi Mizo Kannada Malayalam Marathe Goujrati Tamoul Telogo Pendjabi Kurukh Assamese Maithili Bengali Urdu Sinhala Dogri Haryanvi Meitei Konkani Santali Sindhi Koya Thado Sanskrit Devanagari Adilabad Gondi Ahirani Balochi Bundeli Chhattisgarhi Garhwali Kangri Kumaoni Mewari Munda Sadri Seraiki Shekhawati Sylheti Azia afovoany Kyrgyz Uzbek Tajik Turkmen Kazakhstana Karakalpak Moyen Orient Tiorka Hebreo Arabo Persianina Kiorda Pashto Kôpta Africa Afrikaans Xhosa Zolo Ndebele Sotho Amharic Wolaytta Nizeriana Mossi Ika Dinka Kabyle Ondrivavikely Swahili Maraoka Somaliana Shona Madagasikara Igbo Lingala Baoulé SiSwati Tsonga Tswana Gambia Yoruba Kamba Kinyarwanda Hausa Chewa Luo Makua Dyula Fulfulde Kalenjin Kikuyu Kikwango Kirundi Krio Nigerian Pidgin Oromo Tshiluba Tshivenda Twi Umbundu Lugbara Luguru Pular Gussi Maasai Turkana Moba Nuer Shilluk Tamasheq Makonde Bemba Fon Hadiyya Ibibio Kimbundu Kimiiru Lango Liberian Kreyol Lomwe Mende Morisyen Ndau Nyankole Sena Sidamo Soga Songe Sukuma Tarifit Teso Tiv Zande Dagbani Kaontinanta Aostralia Novely Zelandy Papouasie-Nouvelle-Guinée Fiteny taloha Aramaic Latina Esperanto 1 1 1 Protestanta 1965 Protestanta 2011Malgache MRV 2011DIEM PROTESTANTA 2004Baiboly Katolika 2003Protestanta 19651 1 1 Lioka GenesisyEksodosyLevitikosyNomeryDeotoronomiaJosoaMpitsaraRota1 Samoela2 Samoela1 Mpanjaka2 Mpanjaka1 Tantara2 TantaraEzraNehemiaEsteraJobaSalamoOhabolanaMpitoritenyTonon Kiran'i SolomonaIsaiaJeremiaFitomanianaEzekielaDanielaHoseaJoelaAmosaObadiaJonaMikaNahomaHabakokaZefaniaHagayZakariaMalakia--- --- ---MatioMarkaLiokaJaonaAsan'ny ApostolyRomana1 Korintiana2 KorintianaGalatianaEfesianaFilipianaKolosiana1 Tesaloniana2 Tesaloniana1 Timoty2 TimotyTitosyFilemonaHebreoJakoba1 Petera2 Petera1 Jaona2 Jaona3 JaonaJodaApokalypsy1 1 1 1 1234567891011121314151617181920212223241 1 1 : 1 12345678910111213141516171819202122232425262728293031323334353637383940414243444546474849505152535455565758596061626364656667686970717273747576777879801 1 1 Baiboly Protestanta Malagasy Lioka 1 Tehirizo naoty 1Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin'ny zavatra izay efa tanteraka tamintsika tokoa[Na: inoana tokoa amintsika]2araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory ny teny hatramin'ny voalohany:[Gr. mpanompo]3dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin'ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra,[Gr. mahery indrindra; teny fanajana ny lehibe izany]4mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao.5Tamin'ny andron'i Heroda, mpanjakan'i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan'ny antokon'i Abia; ary ny vadiny dia avy tamin'ny taranak'i Arona, Elizabeta no anarany.6Ary samy marina teo anatrehan'Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen'ny Tompo.7Ary tsy nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady.8Ary nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan'Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan'ny antokony,9araka ny fanao amin'ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin'ny tempolin'ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra.10Ary ny vahoaka rehetra nitoetra teo ivelany nivavaka tamin'ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra.11Ary nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy teo an-kavanan'ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra.12Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra.13Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany.14Ary ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin'ny hahaterahany.15Fa ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny aza.16Ary maro amin'ny Zanak'isiraely no hampodiny amin'i Jehovah Andriamaniny.17Ary izy handeha eo alohany amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an'ny Tempo (Mal. 3. 23, 24).18Ary hoy Zakaria tamin'ilay anjely: Inona no hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary efa antitra koa ny vadiko.19Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany.20Koa, indro, ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan'ny andro hisehoan'izany zavatra izany, ho valin'ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin'ny fotoany.21Ary ny olona dia niandry an'i Zakaria ka gaga noho izy naharitra ela tao amin'ny tempoly.22Kanjo rehefa nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy; ary dia fantatry ny olona fa efa nahita fahitana tao amin'ny tempoly izy; ary izy nanao baikon'ny moana taminy, ary dia mbola moana ihany.23Ary rehefa tapitra ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana, dia lasa nody tany an-tranony izy.24Ary taorian'izany andro izany dia nitoe-jaza Elizabeta vadiny, dia niery dimy volana izy ka nanao hoe:25Izao no nataon'ny Tompo tamiko tamin'ny andro izay nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy amin'ny olona.26Ary tamin'ny fahenim-bolana dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta,27ho any amin'ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin'ny taranak'i Davida; ary ny anaran'ny virijina dia Maria.28Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao.[Ampio hoe: voatahy samy vehivavy ianao]29Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany.30Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra ianao.31Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.32Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy;33ary hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.34Ary hoy Maria tamin'ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?35Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra.[Na: haterakao]36Ary, indro, Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa mandray enina izy izao, izay natao hoe momba.37Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra.38Dia hoy Maria: Inty ny ankizivavin'ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely.39Ary Maria niainga tamin'izany andro izany ka nandeha faingana ho any amin'ny tany havoana, ho ao an-tanàna anankiray any Joda;40ary niditra tao an-tranon'i Zakaria izy ka niarahaba an'i Elizabeta.41Ary rehefa ren'i Elizabeta ny fiarahaban'i Maria, dia nibitaka ny zaza tao an-kibony; ary nofenoina ny Fanahy Masina Elizabeta,[Na: niantsambotra]42dia niantso tamin'ny feo mahery hoe izy: Voatahy samy vehivavy ianao, ary voatahy ny hateraky ny kibonao.43Avy aiza no ahatongavan'izao amiko, no mba vangian'ny renin'ny Tompoko aho?44Fa, indro, raha vao ren'ny sofiko ny feon'ny fiarahabanao, dia nibitaka noho ny hafaliana ny zaza ao an-kiboko.45Ary sambatra ianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain'ny Tompo taminao.46Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo,47Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin'Andriamanitra, Mpamonjy ahy;48Fa efa nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin'ny ankehitriny dia hataon'ny taranaka rehetra ho sambatra aho.49Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko; Ary masina ny anarany.50Ary ny famindram-pony dia amin'izay matahotra Azy hatramin'ny taranaka fara mandimby.51Nanao asa lehibe tamin'ny sandriny Izy; Nampihahaka ny mpiavonavona tamin'ny fiheveran'ny fony Izy.52Nampiala ny lehibe tamin'ny seza fiandrianany Izy, Ary nanandratra ny ambany kosa.53Ny noana novokisany soa; Fa ny manan-karena kosa nampialainy maina.54Niahy an'isiraely mpanompony Izy, fa nahatsiaro ny famindram-pony55(Araka ny voalazany tamin'ny razantsika), tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay.56Ary Maria nitoetra teo amin'i Elizabeta tokony ho telo volana vao nody tany an-tranony.57Ary tonga ny andro hahaveloman'i Elizabeta, dia niteraka zazalahy izy.58Ary ny niara-monina taminy sy ny havany nandre fa efa nohalehibiazin'ny Tompo ny famindram-pony taminy; dia niara-nifaly taminy ireo.59Ary tamin'ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy, ka efa saiky hataony hoe Zakaria araka ny anaran-drainy ny anarany.60Fa ny reniny namaly ka nanao hoe: Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy.61Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray akory aza amin'ny havanao izay manana izany anarana izany.62Ary nanao baikon'ny moana tamin'ny rainy iry ireo, izay tokony ho tiany hatao anarany.63Ary nangataka fàfana izy ka nanoratra hoe: Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra.64Ary dia nisokatra niaraka tamin'izay ny vavany, ka afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka nidera an'Andriamanitra.65Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy; ary niely teny amin'ny tany havoan'i Jodia rehetra ny lazan'izany rehetra izany.66Ary izay rehetra nandre dia nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe: Ho zaza hanao ahoana re io? Fa ny tanan'ny Tompo nomba azy.67Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe:68Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,69Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin'ny taranak'i Davida mpanompony Izy70(Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin'ny fahagola),71Dia famonjena antsika amin'ny fahavalontsika, sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala antsika;72Manefa famindram-po amin'ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masina,73Dia ny fianianana izay nianianany tamin'i Abrahama razantsika,74Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin'ny fahavalontsika isika,75Amin'ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika.76Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin'ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan'ny Tompo ianao hamboatra ny lalany.77Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helony,78Noho ny halehiben'ny famindram-pon'Andriamanitsika, izay hiposahan'ny mazava avy any amin'ny avo ho antsika.[Na: niposahan']79Hamirapiratra amin'izay mipetraka ao amin'ny maizina sy ao amin'ny aloky ny fahafatesana, Hanitsy ny diantsika ho amin'ny lalam-piadanana.Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan'ny andro nisehoany tamin'ny Isiraely.80Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan'ny andro nisehoany tamin'ny Isiraely.Malagasy Bible 1965 Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019 Baiboly Protestanta Malagasy Lioka 1 00:00:00 00:00:00 0.5x 2.0x https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy/luke/001.mp3 24 1