× Fiteny Eoropa Rosiana Belarosiana Okrainiana Poloney Serba Biolgara Slovakian Tseky Romainina Moldovian Azerbaijana Armeniana Zeorziana Albaney Avar Bashkir Tatar Chechen Slovenianina Croatian Estoniana Letôna Litoanianina Hongariana Finoa Norvejiana Soedoa Islandey Grika Masedoniana Alemaina Bavarian Dutch Danoà Valesa Gaelic Irlandey Frantsay Basque Katalana Italiana Galacian Romani Bosnian Amerika Avaratra Anglisy Amerika atsimo Espaniola Portogey Guarani Quechuan Aymara Amerika Afovoany Jamaikana Nahuatl Kiche Q'eqchi Haisiana Azia Atsinanana Sinoa Anarana Koreana Mongoliana Uyghur Hmong Azia atsimo atsinanana Maleziana Birmana Hakha Chin Nepale Cebuano Tagalog Kambojiana Thailandey Indonezianina Vietnamiana Javaney Lao Iban IuMien Kachin Lahu Aceh Balinese Bugis Pampanga Sasak Shan Waray Azia atsimo Hindi Оdia Awadhi Mizo Kannada Malayalam Marathe Goujrati Tamoul Telogo Pendjabi Kurukh Assamese Maithili Bengali Urdu Sinhala Dogri Haryanvi Meitei Konkani Santali Sindhi Koya Thado Sanskrit Devanagari Adilabad Gondi Ahirani Balochi Bundeli Chhattisgarhi Garhwali Kangri Kumaoni Mewari Munda Sadri Seraiki Shekhawati Sylheti Azia afovoany Kyrgyz Uzbek Tajik Turkmen Kazakhstana Karakalpak Moyen Orient Tiorka Hebreo Arabo Persianina Kiorda Pashto Kôpta Africa Afrikaans Xhosa Zolo Ndebele Sotho Amharic Wolaytta Nizeriana Mossi Ika Dinka Kabyle Ondrivavikely Swahili Maraoka Somaliana Shona Madagasikara Igbo Lingala Baoulé SiSwati Tsonga Tswana Gambia Yoruba Kamba Kinyarwanda Hausa Chewa Luo Makua Dyula Fulfulde Kalenjin Kikuyu Kikwango Kirundi Krio Nigerian Pidgin Oromo Tshiluba Tshivenda Twi Umbundu Lugbara Luguru Pular Gussi Maasai Turkana Moba Nuer Shilluk Tamasheq Makonde Bemba Fon Hadiyya Ibibio Kimbundu Kimiiru Lango Liberian Kreyol Lomwe Mende Morisyen Ndau Nyankole Sena Sidamo Soga Songe Sukuma Tarifit Teso Tiv Zande Kaontinanta Aostralia Novely Zelandy Papouasie-Nouvelle-Guinée Fiteny taloha Aramaic Latina Esperanto 1 1 1 Protestanta 1965 Protestanta 2011Malgache MRV 2011DIEM PROTESTANTA 2004Baiboly Katolika 2003Protestanta 19651 1 1 Hebreo GenesisyEksodosyLevitikosyNomeryDeotoronomiaJosoaMpitsaraRota1 Samoela2 Samoela1 Mpanjaka2 Mpanjaka1 Tantara2 TantaraEzraNehemiaEsteraJobaSalamoOhabolanaMpitoritenyTonon Kiran'i SolomonaIsaiaJeremiaFitomanianaEzekielaDanielaHoseaJoelaAmosaObadiaJonaMikaNahomaHabakokaZefaniaHagayZakariaMalakia--- --- ---MatioMarkaLiokaJaonaAsan'ny ApostolyRomana1 Korintiana2 KorintianaGalatianaEfesianaFilipianaKolosiana1 Tesaloniana2 Tesaloniana1 Timoty2 TimotyTitosyFilemonaHebreoJakoba1 Petera2 Petera1 Jaona2 Jaona3 JaonaJodaApokalypsy1 1 1 12 123456789101112131 1 1 : 1 12345678910111213141516171819202122232425262728291 1 1 Baiboly Protestanta Malagasy Hebreo 12 Tehirizo naoty 1[Fananarana hampahatanjaka ny sain'ny malemy finoana sy hampaharitra azy] Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao,2mijery an'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra Izy.3Fa hevero tsara Ilay naharitra ny fanoherana nataon'ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka ianareo, ka ho reraka ny fanahinareo. [ Na: ireo mpanota manimba tena]4Hianareo tsy mbola nanohitra niady tamin'ny ota hatramin'ny fahalatsahan-drà.5Ary hadinonareo ny fananarana izay milaza aminareo toy ny amin'ny zanaka hoe: "Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon'i Jehovah, Ary aza reraka, raha resi-lahatry ny anatra ataony ianao;6Fa izay tian'i Jehovah no faizany, Ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny" (Oha. 3.11,12).7Famaizana no anton'ny iaretanareo; Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka; fa aiza moa izay zanaka tsy faizan-drainy?8Fa raha tsy faizana tahaka ny itondrana azy rehetra ianareo, dia zazasary, fa tsy zanaka.9Ary koa, isika dia nanana ny rain'ny nofontsika ho mpanafay antsika ka efa nanaja azy; tsy mainka va ny hanekentsika ny Rain'ny fanahy, ka ho velona isika?10Fa ireny dia nanao izay hahafay antsika tamin'ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa, mba handraisantsika ny fahamasinany.11Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an'izay nanaovana azy izy.12Koa hatanjaho ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy; [ Na: ahitsio]13ary manaova lala-mahitsy halehan'ny tongotrareo, mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa, fa ny mba hahasitrana azy kosa.14Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.15Ary mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin'ny fahasoavan'Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana, ka ho voaloto ny maro;16fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an'i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava.17Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta-handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy; na dia nitady fatratra tamin'ny ranomaso aza.18[Ny halehiben'ny fahasoavana azo amin'ny fanekena vaovao, sy ny halehiben'ny helok'izay mandà izany] Fa ianareo tsy mby eo amin'izay tendrombohitra azo tsapaina sady mirehitra afo, dia eo amin'ny fahamaintisana sy ny aizina na sy ny tafio-drivotra19sy ny fanenon'ny trompetra ary ny feon'ny teny, ka izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy;20fa tsy tohany ilay nandidiana hoe: "Ary raha misy biby aza mikasika ny tendrombohitra, dia hotoraham-bato izany" (Eks. 19. 12, 13),21ary satria loza indrindra ny fahitana, dia hoy Mosesy: "Matahotra loatra sy mangovitra indrindra aho" (Deo]. 9.19).22Fa ianareo kosa efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan'Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin'ny anjely tsy omby alinalina,23amin'ny fihaonana fifaliana sy ny fiangonan'ny lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy amin'Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin'ny fanahin'ny olona marina izay efa natao tanteraka, [ Na: ho amin'ireo tsy omby alinalina, dia ny fivorian'ny anjely] [ Gr. eklesia]24sy amin'i Jesosy, Mpanalalana amin'ny fanekena vaovao, ary amin'ny rà famafazana, izay tsara lavitra noho ny an'i Abela.25Tandremo mba tsy holavinareo Izay miteny. Fa raha izy ireo tsy afa-nandositra tamin'ny nandavany ilay nilaza ny tenin'Andriamanitra taminy tetỳ ambonin'ny tany, mainka fa isika, raha mihodina miala amin'ilay avy any an-danitra,26Izay nampihorohoro ny tany fahiny tamin'ny feony; fa ankehitriny Izy efa nanao teny fikasana hoe: "Indray maka koa tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko, fa ny lanitra koa" (Hag. 2.6).27Ary ny hoe "indray maka koa" dia manambara ny hanovana izay zavatra ampihorohoroina, toy ny zavatra natao, mba haharetan'izay zavatra tsy ampihorohoroina.28Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana ho entintsika manao izay fanompoana sitrak'Andriamanitra amin'ny fanajana sy ny fahatahorana; [ Na: hanana fanahy misaotra]fa Andriamanitsika dia afo mandevona (Deo. 4.24).29fa Andriamanitsika dia afo mandevona (Deo. 4.24).Malagasy Bible 1965 Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 1965, 2019 Baiboly Protestanta Malagasy Hebreo 12 00:00:00 00:00:00 0.5x 2.0x https://beblia.bible:81/BibleAudio/malagasy/hebrews/012.mp3 13 12